05-07-2008 Jesoa Kristy ho an’ i Madagasikara
Diary    |   Fanitarana    |   Hafatra    |   Sampana    |   Tantara    |   Teny fanolorana    |   Vaovao    |   FIFANDRAISANA
Hafatra
  - Toriteny ny 04/02/2007

  - Toriteny ny 31/12/2006

  - Toriteny ny 25/12/2006

 

 

 

 

 

 

 

Teny fanolorana

Ry havana malala rehetra ao amin’ ny tompo, « Ary ny fiadanana ho aty ambonin’ ny tany amin’ ny olona ankasitrahany » ( Lio.2/14b). « ... ary hampiadana anao ho afaka amin’ ny fahavalonao rehetra aho » ( II sam7/1b).

Izany hiran’ ny anjely tany an-danitra mankalaza ny nahaterahan’ ny Mesia sy ny teny fikasan’ i Jehovah tamin’ i Davida izany no ifandraisan’ ny Fintrandremana FJKM Andravoahangy Fivavahana aminao, ankehitriny. Hitondra fiadanana ho an’ ny tsirairay isan-tokantrano, isam-paritra anie ny Krismasy 2006 sy ny taona vaovao 2007.

Noho ny fivoaran’ ny teknolojia eo amin’ ny fifandraisana,
Noho ny mpanompony eo amin’ ny Fiangonana nomen’ Andriamanitra talenta manokana,
Noho ny fampiraisana ao amin’ ny Fanahy Masina mahatokana ny Fiangonana,
dia mahafaly ny Mpitandrina RANAIVONIANA Olivier mivady sy ny Fiangonana FJKM Andravoahangy Fivavahana manontolo ny manokatra ho an’ ny rehetra, maomboka izao ity tranon-kala mpifandraisana ity.

Natao indrindra izany, ifampizarana ny asa fanompoana, ifampitondrana am-bavaka izay hatrehana sy miandry ny Fiangonana, anio, rahampitso, mandrapiavain’ ny Tompo.

Natao ihany koa ity ifampaherezana, ifampizarana izay fahalalana kely nomen’ ny Tompo ho fitaizam-mpanahy ( fandinihana Soratra Masina, toriteny....).

Koa mankasitraka indrindra, ry havana, ny amin’ ny fifandraisantsika ao amin’ ny Tompo.

Ho an’ Andriamanitra ny Voninahitra

Ny Mpitandrina RANAIVONIANA Olivier.

VAOVAO
Tsy mbola misy lahatsoratra